Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Mpanjaka 14:12-20 Malagasy Bible (MG1865)

12. Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy.

13. Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony.

14. Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy.

15. Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

16. Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.

17. Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona.

18. Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

19. Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany.

20. Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy.

Vakio ny toko manontolo 2 Mpanjaka 14