Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 23:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.

2. Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita.

3. Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy.

4. Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,

5. ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy.

6. Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:

7. Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey.

8. Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.

9. Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana.

10. Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey.

11. Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.

12. Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.

13. Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 23