Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 22:4-14 Malagasy Bible (MG1865)

4. sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.

5. Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.

6. Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,

7. ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro;

8. saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.

9. Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.

10. Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay.

11. Koa ankehitriny, anaka, ho aminao anie Jehovah, ka hambinina anie ianao, fa ataovy ny tranon'i Jehovah Andriamanitrao araka izay nilazany anao.

12. Ary homen'i Jehovah saina sy fahendrena anie ianao ka hatsangany ho mpanapaka ny Isiraely, mba hitandremanao ny lalan'i Jehovah Andriamanitrao.

13. Ary amin'izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ho an'ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po.

14. Ary, he! fa na dia be fahoriana aza aho, dia nahavory talenta volamena iray hetsy sy talenta volafotsy iray tapitrisa ary varahina sy vy betsaka tsy hita lanja ho enti-manao ny tranon'i Jehovah; ary efa nahavonona hazo sy vato koa aho; ka dia ampionao kosa ireo.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 22