Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 22:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia hoy Davida: Eto no ho tranon'i Jehovah Andriamanitra, ary eto no ho alitara fandoroana ny fanatitra dorana ho an'ny Isiraely.

2. Ary nasain'i Davida novorina ny olona hafa firenena izay tany amin'ny tanin'ny Isiraely, ka nanendreny tambato hipai-bato hanaovana ny tranon'Andriamanitra.

3. Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja

4. sy hazo sedera tsy hita isa; fa ny mponina tany Sidona sy Tyro nitondra hazo sedera betsaka ho any amin'i Davida.

5. Fa hoy Davida: Solomona zanako mbola zaza sady tanora fanahy, ary ny trano hatao ho an'i Jehovah dia tsy maintsy ho lehibe indrindra, mba hiely any amin'ny tany rehetra ny lazany sy ny voninahiny, koa hovononiko rahateo ny zavatra ho enti-manao azy. Ka dia nahavonona betsaka Davida, raha mbola velona izy.

6. Ary niantso an'i Solomona zanany izy va nandidy azy hanao trano ho an'i Jehovah, andriamanitry ny Isiraely,

7. ary nanao taminy hoe: Anaka, efa mby tato am-poko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro;

8. saingy nisy tenin'i Jehovah tonga tamiko nanao hoe: Be ny rà efa nalatsakao, ary ady lehibe no efa nataonao; koa tsy mahazo manao trano ho an'ny anarako ianao, satria be ny rà efa nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko.

9. Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin'ny androny.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 22