Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Tantara 15:26-29 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.

27. Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.

28. Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.

29. Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.

Vakio ny toko manontolo 1 Tantara 15