Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 9:20-27 Malagasy Bible (MG1865)

20. Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?

21. Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?

22. Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.

23. Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.

24. Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.

25. Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.

26. Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.

27. Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 9