Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 26:1-15 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?

2. Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr'i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin'ny Isiraely hanaraka azy hitady an'i Davida any an-efitr'i Zifa.

3. Ary nitoby tao amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.

4. Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.

5. Dia niainga Davida ka tonga teo amin'ny nitobian'i Saoly; ary hitan'i Davida izay nandrian'i Saoly sy Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin'ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.

6. Ary hoy Davida tamin'i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin'i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.

7. Ary tonga tao amin'ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin'ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin'ny tany teo anilan'ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.

8. Ary hoy Abisay tamin'i Davida: Efa voahidin'Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin'ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.

9. Fa hoy Davida tamin'i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin'ny voahosotr'i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?

10. Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.

11. Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr'i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan'ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.

12. Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.

13. Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan'izy roa tonta);

14. ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?

15. Ary hoy Davida tamin'i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin'ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin'ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 26