Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 17:26-43 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?

27. Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.

28. Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.

29. Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?

30. Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.

31. Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.

32. Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.

33. Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.

34. Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,

35. dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.

36. Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.

37. Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.

38. Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.

39. Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.

40. Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.

41. Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.

42. Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.

43. Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 17