Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Samoela 1:1-11 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.

2. Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.

3. Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.

4. Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.

5. Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.

6. Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.

7. Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.

8. Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?

9. Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.

10. Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.

11. Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.

Vakio ny toko manontolo 1 Samoela 1