Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 8:17-30 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

18. Nefa hoy Jehovah tamin'i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an'ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.

19. Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an'ny anarako.

20. Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an'i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely tahaka ny efa nolazain'i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an'ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.

21. Ary nasiako fitoerana teo ho an'ny fiara izay itoeran'ny faneken'i Jehovah, ilay nataony tamin'ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.

22. Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra

23. ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin'ny lanitra ambony na amin'ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an'ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony rehetra,

24. sady efa nahatanteraka tamin'i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain'ny vavanao izany dia notanterahin'ny tananao tahaka ny amin'izao anio izao.

25. Koa tanteraho amin'i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô. ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.

26. Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin'i Davida raiko mpanomponao.

27. Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

28. Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan'ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio,

29. mba hihiratan'ny masonao andro aman'alina amin'ity trano ity, dia amin'ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon'ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.

30. Ary henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 8