Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 8:1-13 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon'ny Isiraely sy ny lohan'ny firenena rehetra, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan'i Davida.

2. Dia nivory ho any amin'i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely tamin'ny andro firavoravoana tamin'ny volana Etanima (volana fahafito izany).

3. Ary tonga ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;

4. ary dia nampakariny ny fiaran'i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin'ny fanaka masina rehetra izay tao amin'ny lay. Nampakarin'ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.

5. Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan'ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman'osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.

6. Ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny fitoerany tao anatin'ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin'ny elatry ny kerobima,

7. fa nivelatra teo ambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.

8. Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin'ny fitoerana masina eo anoloan'ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.

9. Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin'ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon'i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta.

10. Ary nony nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ny mpisorona, dia nameno ny tranon'i Jehovah ny rahona;

11. ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tranon'i Jehovah.

12. Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin'ny aizim-pito Izy.

13. Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 8