Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 7:4-13 Malagasy Bible (MG1865)

4. Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.

5. Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.

6. Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.

7. Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.

8. Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.

9. Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.

10. Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.

11. Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;

12. ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.

13. Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 7