Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 5:6-15 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.

7. Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.

8. Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.

9. Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.

10. Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.

11. Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.

12. Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.

13. Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.

14. Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.

15. Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 5