Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 22:43-53 Malagasy Bible (MG1865)

43. Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;

44. kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.

45. Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.

46. Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

47. Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.

48. Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.

49. Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.

50. Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.

51. Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.

52. Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.

53. Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely; ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 22