Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 21:18-24 Malagasy Bible (MG1865)

18. Miaingà, ka midìna hihaona amin'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.

19. Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain'i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ao amin'ny tany izay nilelafan'ny alika ny ran'i Nabota no hilelafan'ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.

20. Ary hoy Ahaba tamin'i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah.

21. Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin'ny taranak'i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely.

22. Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tahaka ny taranak'i Basa, zanak'i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.

23. Ary ny amin'i Jezebela koa dia nolazain'i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an'i Jezebela eny ivelan'ny màndan'i Jezirela.

24. Izay tamingan'i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 21