Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 18:35-46 Malagasy Bible (MG1865)

35. Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.

36. Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.

37. Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.

38. Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely.

39. Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.

40. Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.

41. Ary hoy Elia tamin'i Ahaba: Miakara hihinana sy hisotro, fa misasasasa izato ny ranonorana be.

42. Dia niakatra hihinana sy hisotro Ahaba. Fa Elia kosa niakatra ho eo an-tampon'i Karmela, dia niankohoka tamin'ny tany, ary ny lohany nataony teo anelanelan'ny lohaliny

43. Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.

44. Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan'ny ranonorana ianao.

45. Ary vetivety dia maintin'ny rahona sy ny rivotra ny lanitra, ka nisy ranonorana be. Ary Ahaba niakatra tamin'ny kalesy ka nankany Jezirela.

46. Ary ny tànan'i Jehovah dia tao amin'i Elia, dia nisikina izy ka nihazakazaka teo alohan i Ahaba mandra-pahatongany tany Jezirela.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 18