Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 17:2-13 Malagasy Bible (MG1865)

2. Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy nanao hoe:

3. Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan'ny renirano Kerita, izay any atsinanan'i Jordana.

4. Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.

5. Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin'i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan'ny renirano Kerita any atsinanan'i Jordana.

6. Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin'ny renirano no nisotroany.

7. Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian'ny ranonorana tamin'ny tany.

8. Ary ny tenin'i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:

9. Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.

10. Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko.

11. Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.

12. Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.

13. Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 17