Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 16:14-24 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary ny tantaran'i Elaha sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

15. Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.

16. Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an'i Omry, komandin'ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan'ny Isiraely.

17. Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an'i Tirza.

18. Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty

19. noho ny fahotana izay nataony tamin'ny nanaovany izay ratsy eo imason'i Jehovah, tamin'ny nandehanany tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.

20. Ary ny tantaran'i Zimry sisa mbamin'ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

21. Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.

22. Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.

23. Tamin'ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Omry; ary nanjaka roa ambin'ny folo taona tamin'ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.

24. Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 16