Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 12:13-25 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary ny mpanjaka nanao teny mafy tamin'ny olona, fa nandà ny saina nomen'ireo zoki-olona azy izy

14. ka niteny taminy araka ny hevitra nomen'ireo tovolahy hoe: Ny raiko dia nampitondra zioga mavesatra anareo, fa izaho kosa mainka hanampy ny zioga ho entinareo, kotopia no namazain'ny raiko anareo, fa maingoka fikapohana kosa no hamaizako anareo.

15. Koa dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka; fa avy tamin'i Jehovah izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama, zanak'i Nebata.

16. Ary nony hitan'ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin'i Davida? Tsy manana lova amin'ny zanak'i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.

17. Fa ny Zanak'Isiraely izay nonina tany an-tanànan'ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama .

18. Ary dia naniraka an'i Adorama, komandin'ny mpanao fanompoana, Rehoboama mpanjaka, nefa ny Isiraely rehetra nitora-bato azy, ka maty izy. Dia niezaka faingana nankeo amin'ny kalesiny Rehoboama mpanjaka handositra ho any Jerosalema.

19. Ka dia niodina tamin'ny taranak'i Davida ny Isiraely mandraka androany.

20. Ary rehefa ren'ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin'ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin'ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida afa-tsy ny firenen'i Joda ihany.

21. Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda rehetra mbamin'ny firenen'i Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny taranak'Isiraely hampody ny fanjakana indray ho an-dRehoboama, zanak'i Solomona.

22. Kanjo tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, kosa ny tenin'Andriamanitra nanao hoe

23. Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa hoe:

24. Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely rahalahinareo; fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Dia nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody araka ny tenin'i Jehovah.

25. Ary Jeroboama dia nanamboatra an'i Sekema any amin'ny tany havoan'i Efraima ka nonina tao; ary raha avy tao izy, dia nanamboatra an'i Pehoela koa.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 12