Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 11:8-19 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny.

9. Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa

10. sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy.

11. Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.

12. Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy.

13. Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.

14. Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an'i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan'ny mpanjakan'i Edoma.

15. Fa rehefa nanafika an'i Edoma Davida, ary Joaba, komandin'ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany

16. (fa enim-bolana no nitoeran'i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),

17. dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin'izay.

18. Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.

19. Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason'i Farao, ka dia ny rahavavin'i Tapanesa, vadin'ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 11