Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

1 Mpanjaka 10:16-29 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin'ny ampinga lehibe iray.

17. Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin'ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin'ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin'ny trano Alan'i Libanona ireo.

18. Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.

19. Nisy ambaratonga enina tamin'ny seza fiandrianana; ary ny lohan'ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin'ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin'ny fitehenan-tanana.

20. Ary nisy sarin-diona roa ambin'ny folo teo an-daniny roa teo amin'ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin'ny fanjakana rehetra.

21. Ary ny fisotroan'i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin'ny trano Alan'i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin'ny andron'i Solomona.

22. Fa ny mpanjaka nanana sambon'i Tarsisy mbamin'ny sambon'i Hirama teny ambonin'ny ranomasina; ary indray mandeha amin'ny telo taona no nihavian'ny sambon'i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.

23. Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin'ny tany.

24. Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan'i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.

25. Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.

26. Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin'ireo tanàna fitoeran'ny kalesy sy tao amin'ny mpanjaka tany Jerosalema.

27. Ary nataon'ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka.

28. Ary avy any Egypta no nahazoan'i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin'ny mpandranton'ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.

29. Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana.

Vakio ny toko manontolo 1 Mpanjaka 10