22. Ary areti-mahasahozanina sy tazo mahamay sy fahamaizana sy hafanana mangotraka sy andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy no hamelezan'i Jehovah anao; dia hanenjika anao ireny mandra-pahalany ritranao.
23. Ary ho varahina ny lanitra eo ambonin'ny lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.
24. Hataon'i Jehovah vovoka sy jofo ny ranonorana amin'ny taninao; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao mandra-paharinganao.
25. Hatolotr'i Jehovah ho resy eo anoloan'ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ianao.
26. Ary ny fatinao hohanin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27. Hamelin'i Jehovah anao ny vain'i Egypta sy ny tomboka sy ny hatina ary ny hazaka (izay tsy azom-panafody);
28. ary hamelin'i Jehovah anao koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-kevitra.
29. Dia hitsapatsapa ianao na dia amin'ny mitatao-vovonana aza tahaka ny fitsapatsapan'ny jamba ao amin'ny aizim-pito ka tsy ho tonga amin'izay halehanao; dia hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianao, fa tsy hisy hamonjy.
30. Hifofo vady ianao, fa olon-kafa no handry aminy; hanao trano ianao, fa tsy hitoetra ao; hanao tanim-boaloboka ianao, fa tsy hihinana ny vokatra.
31. Ny ombinao hovonoina eo imasonao, fa tsy hihinana ny henany ianao. Ny borikinao halaina an-keriny eo anatrehanao ka tsy haverina aminao. Ny ondry aman'osinao homena ho an'ny fahavalonao, nefa tsy hanan-kamonjy ianao.
32. Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy homena ho an'ny firenena hafa, ary hijery ny masonao ka ho pahina manontolo andro noho ny alahelonao azy, nefa tsy hahefa na inona na inona ny tananao.