Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 9:5-15 Malagasy Bible (MG1865)

5. Fa iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?

6. Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana eto ambonin'ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.

7. Dia nitsangana izy ka lasa nody tany an-tranony.

8. Ary ny vahoaka, raha nahita izany, dia raiki-tahotra ka nankalaza an'Andriamanitra, Izay nanome ny olona fahefana toy izany.

9. Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy; Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana Matio ka nanaraka Azy.

10. Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Izy, indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany.

11. Ary ny Fariseo, raha nahita izany, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

12. Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.

13. Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos 6:6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

14. Dia nankany amin'i Jesosy ny mpianatr'i Jaona ka nanao hoe: Nahoana izahay sy ny Fariseo no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

15. Ary hoy Jesosy taminy: Moa mahay misaona va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin'izay vao hifady izy.

Vakio ny toko manontolo Matio 9