Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 5:7-21 Malagasy Bible (MG1865)

7. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.

8. Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,

9. Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.

10. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

11. Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

12. Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.

13. Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.

14. Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

15. Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.

16. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

17. Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

18. Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.

19. Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.

20. Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.

21. Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.

Vakio ny toko manontolo Matio 5