Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 16:4-16 Malagasy Bible (MG1865)

4. Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.

5. Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.

6. Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

7. Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.

8. Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?

9. Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?

10. na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?

11. Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

12. Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo.

13. Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?

14. Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany.

15. Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?

16. Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona.

Vakio ny toko manontolo Matio 16