Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Matio 10:37-42 Malagasy Bible (MG1865)

37. Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

38. Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

39. Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.

40. Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy.

41. Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina.

42. Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.

Vakio ny toko manontolo Matio 10