Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 5:31-42 Malagasy Bible (MG1865)

31. Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy?

32. Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany.

33. Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra.

34. Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.

35. Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

36. Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.

37. Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.

38. Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany.

39. Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory.

40. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy.

41. Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna.

42. Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona.

Vakio ny toko manontolo Marka 5