Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Marka 12:5-22 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.

6. Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.

7. Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova.

8. Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka.

9. Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka.

10. Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;

11. Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.)

12. Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa.

13. Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny.

14. Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia?

15. Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria etỳ amiko hizahako azy.

16. Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara.

17. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.

18. Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe:

19. Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5).

20. Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.

21. Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa.

22. Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

Vakio ny toko manontolo Marka 12