Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Lioka 3:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberia Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena,

2. ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe,- dia tonga tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria, tany an-efitra ny tenin'Andriamanitra.

3. Ary nankany amin'ny tany rehetra any amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka;

4. araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'Isaia mpaminany hoe: Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah, Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.

5. Ny lohasaha rehetra hototofana, Ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, Ary ny meloka hahitsy, Ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina;

6. Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra (Isa. 40:3-5).

7. Dia hoy izy tamin'ny vahoaka izay nankeo aminy mba hataony batisa: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

8. Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.

9. Ary, indro, efa mipetraka ao amin'ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapohina ka hatsipy any anaty afo.

10. Ary ny vahoaka nanontany an'i Jaona hoe: inona ary no hataonay?

11. Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.

12. Dia avy koa ny mpamory hetra sasany mba hataony batisa ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataonay?

Vakio ny toko manontolo Lioka 3