40. Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
41. Dia nimonomonona tamin'i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
42. Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak'i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
43. Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
44. Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
45. Voasoratra ao amin'ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin'Andriamanitra (Isa. 54. 13). Izay rehetra mandre ka mianatra amin'ny Ray no manatona Ahy.
46. Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin'Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
47. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay.
48. Izaho no mofon'aina.
49. Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
50. Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
51. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao.
52. Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon'ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
53. Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
54. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.
55. Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.