Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 6:11-25 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin'izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.

12. Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.

13. Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin'ny folo ny sombintsombin'ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin'ny nihinana.

14. Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon'i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin'izao tontolo izao.

15. Ary rehefa fantatr'i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra..

16. Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin'ny ranomasina ny mpianany.

17. Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin'izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.

18. Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon'ny rivotra.

19. Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an'i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin'ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.

20. Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.

21. Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin'izay ny sambokely dia tonga tamin'ny tany izay nalehany.

22. Nony ampitson'iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan'ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,

23. kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin'ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo,-

24. koa nony hitan'ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an'i Jesosy.

25. Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan'ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?

Vakio ny toko manontolo Jaona 6