Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jaona 11:51-56 Malagasy Bible (MG1865)

51. Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;

52. ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.

53. Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.

54. Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin'ny mpianatra.

55. Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan'ny Paska mba hanadio ny tenany.

56. Dia nitady an'i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin'ny andro firavoravoana va Izy?

Vakio ny toko manontolo Jaona 11