Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 7:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,

2. sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;

3. tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.

4. Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.

5. Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;

6. nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.

7. Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.

8. Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.

9. Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,

10. satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.

11. Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?

12. Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 7