Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hebreo 11:5-16 Malagasy Bible (MG1865)

5. Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.

6. Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

7. Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.

8. Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.

9. Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;

10. fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.

11. Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.

12. Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.

13. Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.

14. Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.

15. Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.

16. Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.

Vakio ny toko manontolo Hebreo 11