Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 5:3-21 Malagasy Bible (MG1865)

3. Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,

4. na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.

5. Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).

6. Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.

7. Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.

8. Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava

9. (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),

10. mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.

11. Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.

12. Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.

13. Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.

14. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.

15. Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,

16. ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.

17. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.

18. Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,

19. ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,

20. misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,

21. sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,

Vakio ny toko manontolo Efesiana 5