Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Efesiana 5:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;

2. ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.

3. Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,

4. na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.

Vakio ny toko manontolo Efesiana 5