Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 9:26-38 Malagasy Bible (MG1865)

26. Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.

27. Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.

28. Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,

29. sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.

30. Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.

31. Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.

32. Ary raha nandeha nitety ny tany rehetra Petera, dia nidina ho any amin'ny olona masina nonina tany Lyda koa.

33. Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.

34. Ary hoy Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka amboary ny fandrianao. Dia nitsangana niaraka tamin'izay izy.

35. Ary nahita azy izay rehetra nonina tany Lyda sy Sarôna, ka dia niverina ho amin'ny Tompo.

36. Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany.

37. Ary narary izy tamin'izany andro izany, ka dia maty; ary rehefa nampandroiny ny faty, dia napetrany tao an-trano ambony.

38. Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatį»³ aminay.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 9