Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 9:11-31 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy;

12. ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony.

13. Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema.

14. Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.

15. Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely;

16. fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.

17. Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.

18. Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;

19. ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.

20. Ary niaraka tamin'izay dia nitory teo amin'ny synagoga izy ka nilaza an'i Jesosy fa Zanak'Andriamanitra.

21. Ary talanjona izay rehetra nandre ka nanao hoe: Tsy ity va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? ary tongay koa izy mba hitondra azy mifatotra ho any amin'ny mpisoronabe.

22. Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.

23. Ary rehefa afaka andro maromaro, dia nihendry hamono azy ny Jiosy;

24. nefa fantatr'i Saoly ny fihendreny. Ary izy ireo niambina ny vavahady andro aman'alina hamonoany azy.

25. Fa ny mpianany naka azy nony alina ka nampidina azy tamin'ny sobiky avy eo amin'ny mànda.

26. Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.

27. Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.

28. Ary izy niara-niditra sy nivoaka tamin'ireo tany Jerosalema,

29. sady nitory tamin'ny anaran'ny Tompo tamin'ny fahasahiana ary niresaka sy niady hevitra tamin'ny Helenista; fa ireny nitady hahafaty azy.

30. Ary rehefa fantatry ny rahalahy izany, dia nentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.

31. Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 9