Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 25:18-26 Malagasy Bible (MG1865)

18. Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ireo, dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko izy tsy akory,

19. fa nanana ady hevitra taminy ny amin'ny fivavahany sy ny amin'izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain'i Paoly ho velona.

20. Ary satria variana ny hevitro ny amin'ny hitsarana izany zavatra izany, dia nanontany aho na tian-dralehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin'izany zavatra izany, na tsia,

21. Ary rehefa nangataka hambenana hotsarain'ny mpanjaka Paoly, dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin'i Kaisara.

22. Dia hoy Agripa tamin'i Festosy: Izaho koa mba ta-handre izay lehilahy izay. Ary hoy izy: Rahampitso ary dia handre azy ihany ianao.

23. Ary nony ampitso, dia tonga Agripa sy Berenika niseho tamin'ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin'ny trano fihaonana niaraka tamin'ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nentina nankeo Paoly araka ny didin'i Festosy.

24. Ary hoy Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy izay rehetra eto amintsika, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan'ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony ilehio.

25. Nefa nony hitako fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta-handahatra amin'ny mpanjaka, dia nanaiky hampanatitra azy aho.

26. Ny amin'io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin'ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 25