Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 23:5-19 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary hoy Paoly: Tsy fantatro fa mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: Aza miteny ratsy ny mpanapaka ny firenenao (Eks. 22. 27).

6. Ary rehefa fantatr'i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin'ny Synedriona izy ka nanao hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin'ny fanantenana sy ny fitsanganan'ny maty no itsarana ahy.

7. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka nizara roa toko ny olona maro.

8. Fa ny Sadoseo manao hoe: Tsy misy fitsanganan'ny maty, sady tsy misy anjely na fanahy; fa ny Fariseo kosa manaiky izany avokoa.

9. Ary nisy antsoantso maharenina teo, ary ny mpanora-dalàna sasany, izay isan'ny antoko atao hoe Fariseo, nitsangana dia niady hevitra ka nanao hoe: Tsy hitanay izay helok'io lehilahy io; fa sao fanahy na anjely no niteny taminy.

10. Ary rehefa nitabataba be ihany izy, dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hifandroritan'ny olona Paoly ka ho samatsamaka, dia nasainy nidina ny miaramila mba haka azy an-keriny hiala teo ampovoany ary mba hitondra azy ho any anati-rova.

11. Ary ny Tompo nitsangana teo anilany tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Matokia, fa tahaka ny nanambaranao Ahy tany Jerosalema no mbola hanambaranao Ahy any Roma koa.

12. Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an'i Paoly.

13. Ary tsy omby efa-polo no niray tetika nanao izany.

14. Ary izy nankany amin'ny mpisoronabe sy ny loholona ka nanao hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona ambara-pamononay an'i Paoly.

15. Koa ankehitriny dia milazà amin'ny mpifehy arivo ianareo sy ny Synedriona mba hampidina azy hankatį»³ aminareo, mody ta-hamototra azy marimarina kokoa ny amin'izay nataony; ary izahay kosa dia efa vonona hamono azy, dieny tsy mbola mby akaiky izy.

16. Ary nony ren'ny zanak'anabavin'i Paoly ny fanotrehana, dia lasa nankany anatirova izy ka nilaza tamin'i Paoly.

17. Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin'ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.

18. Koa dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin'ny mpifehy arivo, dia nanao hoe: Paoly mpifatotra niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.

19. Ary ny mpifehy arivo nitantana azy, ary nony efa nitokana tao amin'ny mangingina izy, dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 23