Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 21:13-26 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.

14. Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.

15. Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.

16. Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.

17. Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.

18. Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra.

19. Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.

20. Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,

21. sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.

22. Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.

23. Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;

24. raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.

25. Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.

26. Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 21