Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 20:27-38 Malagasy Bible (MG1865)

27. Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra.

28. Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan'ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiny tamin'ny ràny.

29. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.

30. Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.

31. Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman'alina tamin'ny ranomaso.

32. Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina.

33. Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho.

34. Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.

35. Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.

36. Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin'izy rehetra.

37. Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon'i Paoly ka nanoroka azy,

38. sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 20