Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Asan'ny Apostoly 1:7-18 Malagasy Bible (MG1865)

7. Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany.

8. Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.

9. Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.

10. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy,

11. izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

12. Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata).

13. Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak'i Jakoba.

14. Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.

15. Ary tamin'izany andro izany dia nitsangana teo afovoan'ny rahalahy Petera (tokony ho roa-polo amby zato no isan'ny olona vory teo) ka nanao hoe:

16. Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin'ny Soratra Masina nampilazain'ny Fanahy Masina rahateo an'i Davida ny amin'i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an'i Jesosy;

17. fa izy dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin'izao fanompoana izao koa.

18. Koa izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin'ny tambin'ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.

Vakio ny toko manontolo Asan'ny Apostoly 1