Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 18:18-24 Malagasy Bible (MG1865)

18. ary raha nahita ny setroky ny fandoroana ary, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?

19. Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.

20. Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao. ry lanitra, sy ianareo olona masina sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.

21. Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.

22. Ary ny feon'ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka mozika sy ny mpitsoka sodina ary ny mpitsoka trompetra dia tsy ho re eo aminao intsony; ary ny mpiasa rehetra mahay zavatra na inona na inona tsy ho hita eo aminao intsony; ary ny feon'ny vato fikosoham-bary tsy ho re eo aminao intsony;

23. ary ny fahazavan'ny jiro tsy mba hahazava eo aminao intsony; ary ny feon'ny mpampakatra sy ny ampakarina tsy ho re eo aminao intsony; fa lehiben'ny tany ny mpandrantonao; fa ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.

24. Ary teo anatiny no nahitana ny ran'ny mpaminany sy ny olona masina sy itsy rehetra novonoina teny ambonin'ny tany.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 18