Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 13:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.

2. Ary ny bibi-dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona; ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.

3. Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibi-dia.

4. Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibi-dia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibi-dia? ary iza no mahay miady aminy?

5. Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 13