Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 11:13-19 Malagasy Bible (MG1865)

13. Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.

14. Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.

15. Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.

16. Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra

17. nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.

18. Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.

19. Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 11