Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Apokalypsy 1:14-20 Malagasy Bible (MG1865)

14. Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;

15. ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.

16. Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.

17. Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,

18. dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.

19. Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,

20. dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.

Vakio ny toko manontolo Apokalypsy 1