Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 9:7-12 Malagasy Bible (MG1865)

7. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra (Oha. 22. 8, LXX.).

8. Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, ka hitombo amin'ny asa tsara rehetra;

9. araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal. 112. 9).

10. Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,

11. dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po,izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.

12. Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon'ny olona masina ihany, fa mahabe ny fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa,

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 9