Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 12:7-19 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin'ny nofo, dia irak'i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.

8. Izany no nangatahako intelo tamin'ny Tompo, mba hialan'izany amiko.

9. Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.

10. Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

11. Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.

12. Ny famantarana mah'Apostoly ahy dia natao teo aminareo tokoa tamin'ny faharetana rehetra, tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe.

13. Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany.

14. Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatį»³ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany.

15. Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.

16. Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin'ny fihendrena.

17. Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?

18. Nangataka an'i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?

19. Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 12