Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

2 Korintiana 12:13-21 Malagasy Bible (MG1865)

13. Fa inona moa no nahalatsaka anareo noho ny fiangonana sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ahy ary amin'izany fahadisoana izany.

14. Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatį»³ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an'ny zanany.

15. Ary izaho dia faly indrindra handany sy holanina hahasoa ny fanahinareo, na dia araka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no fihenan'ny fitiavanareo ahy.

16. Kanefa, na dia izany aza, izaho tsy nahavaky tratra anareo, fa nanao saina, hono, aho, dia nahazo anareo tamin'ny fihendrena.

17. Moa izay nirahiko tany aminareo va nisy nanaovako anareo ho vola aman-karena?

18. Nangataka an'i Titosy aho, sady nirahiko nomba azy ilay rahalahy. Moa Titosy va nanao anareo ho vola aman-karena? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy iray ihany va no dianay?

19. Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan'Andriamanitra no itenenanay ao amin'i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.

20. Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fieboeboana, fikotranana, -

21. eny, fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo anatrehanareo Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin'ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin'ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana nataony.

Vakio ny toko manontolo 2 Korintiana 12